Fetiben’ny basikety Analamanga : misokatra ny taom-pilalaovana 2023

Miisa 48 ireo klioba eto Antananarivo, tonga nanatrika ny fetiben’ny Basikety teny Mahamasina, ny asabotsy lasa teo. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, nandritra io fety io mantsy ny taom-pilalaovana 2023. Araka izany dia nisy ireo lalao famaranana ny taona 2022, teo amin’ny sokajy U19 vehivavy sy lehilahy ary ny N1B.
Voahosotra ho tompondakan’i U19 vehivavy Anala­manga ny ekipan’ny MB2all, rehefa avy nandavo ny Lucadro tamin’ny isa tery 49 – 42. Lasan’ny Fan­drefiala kosa ny amboaran’ny U19 lehilahy Anala­man­ga, rehefa avy nampiondrika an’ny Akbb, tamin’ny isa 67-58.
“Mbola vao manavao ireo mpilalao izahay saingy tombony ho anay tamin’iny lalao famaranana iny ny fa­ha­izana mandrindra ny tanj­ak’ireo mpilalao. Raha toa ka somary sahirana ny ekipan’ny Lucadro amin’izany resaka tanjaka izany. Hiezaka ny ho tompondaka hatrany amin’ity taona 2023 ity.” hoy ny mpanazatran’ny MB2All.
“ Maro ny lesoka, saingy efa tsara ny fahavitrihan’ny mpilalao. Mila fiomanana maro izahay, haka ny amboara rehetra no tanjona amin’ity taona ity.” Raha ny nambaran’ ny mpanazatran’ ny Fandrefiala. Nivoaka mpandresy tao amin’ny so­ka­jy N1B kosa ny ekipan’ny Dream Team, rehefa avy nanilika an’i AMBB, tamin’ ny isa 63 – 59.
Tsiahivina fa taorian’ilay fizarana ny amboara, tonga nanafana ny lanonana tao i Mr Sayda.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: