Misy ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Ambatovy, hanomezany ny akora solfata almonioma, hatao zezika. Akora azo avy amin’ny famokarana nikela sy kobalta ny solfata almonioma, ka azo havadika ho zezika rehefa afangaro amin’ny NPK na ny DAP.
Natsangana ny Tetikasa fitsinjarana ny solfata almonioma hanohanana ny fahavitantena ara-tsakafo (PDSA) hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny dingana hatao ny hananganana ozinina madinika, hampifangaroana sy ny famonosana ny zezika any Toamasina, iarahana amin’ny orinasa Ambatovy. Hisy koa ny fanentanana sy ny fampiofanana ny tantsaha mpamboly vary amin’ny fifehezana ny fampiasana ny zezika simika, ny fizarana ny zezika sy ny fanaraha-maso ny fampiasana azy araka ny tokony ho izy. Avy eo, ho tombanana ny zava-bitan’ireo tantsaha sy ny vokatra azony.
Fianakaviana tantsaha maherin’ny 225.000
Tombanana hatrany amin’ ny 225.514 ny isan’ny fianakaviana tantsaha hisitraka ity zezika ity. Mahatratra 112.757 taonina isan-taona ny akora solfata almonioma ilaina, ahafahana mandrakotra velaran-tany mirefy 563.784 ha. Tanjona ny hitomboan’ny voka-bary hatrany amin’ny 563.784 taonina ao anatin’ny taona iray, noho ny fampiasana ity zezika ampifangaroana amin’ny solfata almonioma ity.
Njaka A.