Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo! “Tokony hipaka eny ifotony ny tena fitsinjaram-pahefana”

Nidina ifotony tany Antsirabe sy Betafo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiainam-pirenena.

Nihaona tamin’ny va­hoakan’ny kaominina Antohibe, any Betafo ny MMM, ny asabotsy teo. Nambarany fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny firenena ka mikorosy fahana ny fiainam-bahoaka. “Mila sahy manova isika. Tsy tokony iandrasana ny fanjakana foibe ny vina. Samy mandray ny tandirify azy ny tompon’andraikitra isan-tokony mba hipaka amin’ny eny ifotony ny fitsinjaram-pahefana”, hoy izy. Nan­teriny fa miainga amin’ny isan-tokatrano ny fampandrosoana ny firenena. Tsy manilika ny MMM fa mahatsapa ho tsy mahavita tena irery. Ny fampandrosoana rahateo iaraha-manana, araka ny nambarany.
Niaiky ny tenany fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. “Aoka tsy hifamitaka isika ka hilaza fa mandeha izao. Ny ao am-bilany sy ny eny anivon’ny tokantrano ihany no itarafana sy andrefesana fa mandroso ny firenena”, hoy izy.
Nohamafisiny fa hiatrika fifidianana isika ka nentaniny ny rehetra hisoratra anaty lisi-pifidianana sy hanara-maso izany ary koa ny tsy hivarotana ny safidy. Zava-dehibe izany ho fanovana ny tantaram pirenena, araka ny nambarany hatrany. “Azo atao ny fampandrosoana rehefa tsy manavakavaka sy miray hina ary mandray andraikitra sy adidy amin’ny sehatra samihafa”, hoy ihany izy.

Tsy ijerena arina an-tava
Nitondra fitaovana ha­nampiana ity kaominina ity ny filoha nasionaly tamin’izany. Adidin’ny antoko ny ma­nampy ny ben’ny Tanànany, araka ny nambarany.
Nialoha izany, nihaona tamin’ny mpikambana MMM, tao Antsirabe izy ireo ny zoma teo. Notsindriany fa ilaina hapetraka ny fahaiza-mitantana. Mitaky politika sahy sy hentitra na eo aza ny fihavanana. “Tsy ijerena arina an-tava ny fitantanana raharaham-pirenena ka hanaovana kolikoly sy ny kiantranoantrano. Mila mpitondra hotarafina manaraka ny soatovina sy ny fihavanana isika afahana mandray anjara amin’ny fampandrosoana”, hoy izy.
Nametraka ny fitsinjaram-pahefana ny MMM amin’ny fomba fitantanana ary mifandraika amin’ny soatoavina sy ny toe-tsaintsika izany, araka ny nambarany. Tokony hozaraina ny fahefana sy ny an­draikitra eny ifotony ary hapetraka ny fifampitokisana. Nambarany fa fomba fitantanana mahomby ny fitsinjaram-pahefana ary fototra mampandroso ny firenena koa ny fifanomezan-tanana avy amin’ny tsirairay miaraka amin’ny fanomezan-danja ny soatoavina.

Synèse R.

Partager sur: