Tsy nahasarika mpizahatany firy i Madagasikara tamin’ny 2022, roa taona taorian’ny fikatonan’ny sisintany. 106 000 mpizahatany ihany no niditra teo Madagasikara ny janoary hatramin’ny novambra 2022, araka ny tarehimarika navoakan’ny minisitera misahana ny Fizahantany. Nihena telo latsaka izany raha jerena
ny antontanisa talohan’ny Covid-19, tamin’ny 2019.
Na eo aza ireo zavaboahary mampiavaka sy mampalaza miampy ny moron-dranomasina, tsy misongadina ny vokatr’izany eo amin’ ny fizahantany tamin’ny taon-dasa. Izay no nasehon’ ny Vondron’ny fikambanana momba ny fizahantany eto Madagasikara. Anton’izany voalohany aloha, anisan’ny lafo ny fitaterana amin’ny fiaramanidina miditra aty amin’ny Nosy , eo koa ny habetsahan’ny lalan-dratsy sarotra hifandraisana eo amin’ny samy faritra.
Andrasana amin’ny fanjakana ankehitriny, amin’ity taona 2023 ity ny hanatsara ny fepetra rehetra eo amin’ ny tontolon’ny fizahantany, ohatra, ny fitaterana ato anatiny. Iaraha-mahafantatra fa tsy ampy ny zotram-piaramanidina ato anatiny, vao mainka ratsy ny fitaterana an-tanety. Ny minisiteran’ny Fizahantany anefa manantena hahita mpitsangatsangana 300 000 amin’ity taona ity.
Ndrina