Ho tanterahina androany, any Congo, ny fifaninanana “IHF Trophy continental Afrika U20”. Araka izany dia hifanandrina amin’ny Akio zandrikely lehilahy ny ekipan’i Rwanda, tompondaka tao amin’ny faritra fahadimy. Lalao izay hanomboka amin’ ny 5 ora hariva, ora malagasy.
Tsiahivina fa aorian’io lalao amin’i Rwanda io, mbola misy lalao efatra miandry ny ekipa malagasy. Araka izany, ny talata ho avy izao, ny andro faharoa amin’ity fifaninanana ity, ka hifanandrina amin’i Nizeria, tompondakan’ny “Zone 3”, izy ireo, ao amin’ny gymnase Nicole OBA.
Amin’ny andro fahatelo kosa, izany hoe, ny alarobia izao no hifandona amin’ny Congo, mpampiantrano ny fifaninanana, ny ekipam-pirenena malagasy. Hifanandrina amin’i Zimbabwe, mpandresy tao amin’ ny “Zone 6”, ny Akio, amin’ ny andro fahefatra, lalao izay hatao ny alakamisy izao. I Ginea, izay voalohany tao amin’ny “zone 2” indray no hihaona amin’ izy ireo amin’ny andro faran’ny fifaninanana, ny zoma 20 janoary. Toy izao ny fizotran’ny fifaninanana, hifandimby hihaona daholo ireo ekipa dimy ireo, ka izay be isa indrindra no lasa eo amin’ny laharana voalohany na lasa tompondakan’ny “IHF Trophy continental”.
Marihina fa natao hiadiana ny tapakila handehanana any Polona ity fifaninanana ity. Araka ny vaovao dia any Polona no hanaovana ny “IHF trophy Intercontinental”. Ka izay voalohany amin’ity fifanintsanana atao any Congo ity no mahazo izany.
Fitia (Mpianatra asa)
Toy izao ny fandaharan-dalaon’ny Akio
16 /01/2023 :
5 ora ariva : Madagasikara vs Rwanda
17 /01/2023:
11 ora atoandro : Madagasikara vs Nigeria
18 /01/2023:
7 ora ariva:Madagasikara vs Congo
19/01/2023 :
11 ora atoandro : Madagasikara vs Zimbabwe
20/01/2023 :
11 ora atoandro : Madagasikara vs Guinée