Nambara nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, notanterahin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina fa hosokafana ny 18 febroary izao ny faha-60 taonan’ity fikambanana zokiny indrindra eo amin’ny sehatry ny kabary ity. Eo amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Analakely no handrehetana ny fanilo miampita izay hitety ny lafy valon’ny Nosy sy ny any am-pita. Efa vita rahateo ny fifaninanana hira faneva sy ny sary famantarana ito vanim-potoana lehibe ito. Hisy fanolorana mari-pankasitrahana sy mari-boninahitra mandritra ny fotoam-pankalazana rehetra.
Ao koa ny fampirantiana ireo tantara samihafa. Hisy takarivam-pialamboly ny harivan’ny 18 Febroary iarahana amin’ny vondron’ny mpikabary Fi.Mpi.Ma misehatra
amin’ny fizahantany. Aorian’ Antananarivo, faritra Atsinanana, Analajirofo, Alaotra mangoro no hanao fankalazana sy handray ny fanilo ny 25 febroary ary ny Faritra Androy, Anosy, Atsimo andrefana ny 18 mars.
HaRy Razafindrakoto