Nifarana omaly alahady ny fihodinana voalohany
amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara isam-paritra, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy U19. Ny fihaonana notanterahina tany amin’ny kianja Port-Bergé no nanakatona izany. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa voafantin’i Boeny, izay nahazo fandresena indroa.
Raha tsiahivina, nanilika an’i Sofia, teo amin’ny andro voalohany ary nandresy an’i Melaky, 1 no ho 0 nandritra ny andro faharoa, notanterahina ny zoma lasa teo. Omaly kosa teo amin’ny andro fahatelo, lavon’i Sofia, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Melaky.
Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo ekipa 8 hiatrika ny fihodinana faharoa dia i Vakinankaratra, Sava, Anosy, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Itasy, Atsimo Andrefana ary i Boeny. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 25 febroary ka hatramin’ny 5 marsa ho avy izao, ny dingana manaraka.
Hozaraina anaty vondrona roa ireo ekipa tafita ireo, izany hoe hisy faritra 4 avy ny sokajy isanisany. Hifandimby hihaona indray izy ireo ka hiatrika ny famaranana, izay voalohany mahazo isa be indrindra.
Tsiahivina fa mbola nisy fitarainana nataon’ireo filohan’ny ligy sasany mikasika ny taonan’ireo mpifanandrina sasany ka andrasana ny ho vokatr’izany. Marihina fa hitiliana izay handrafitra ny Barea, hiatrika ny Cosafa ny antom-pisian’ity fifaninanana ity. Efa misy ireo mpilalao voarain’ireo teknisianina, nanaraka akaiky ity fiadiana ny amboara rezionaly, ity.
Tompondaka