Tsara fiditra ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny mpilalao tsy mila ravinahitra. Resin-dry zalahy ny Black Galaxies Ghana.
Nanakoako erak’i Afrika indray ny lazan’i Madagasikara, omaly alahady. Resin’ny Barea, tamin’ny isa, 2 no ho 1 ny Black Galaxies Ghana teo amin’ ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Chan 2023». Fihaonana notanterahina omaly alahady tao amin’ny kianja Mohamed Hamlaoui Stadium.
Tsy nampoizin-dry zareo Ghaneanina mihitsy ny endri-dalao nasehon’ ny Malagasy. Nanehoan-dry Nina, mpiandry tsatoby sy ry Tantely ary i Dadafara sy i Jean Yves. Minitra faha-11, namono baolina i Koloina, taorian’ny tolotra nataon’i Tsiry ho an’i Jean Yves izay nanome azy ka nampiditra izany. Nikoropaka ny ganeanina, ka tsy nahavita nandrindra fanafihana mihitsy. Minitra faha-12 nanome “penalty” ho an’i Ghana ny mpitsara saingy nolavina izany rehefa nojerena tamin’ny “Var”. Niezaka nanafika ihany ny Barea saingy malama ny kianja ka tsy nety ny famaranana. ,
Fizaram-potoana faharoa, nanindry ny Ghaneanina fa tsara ny fiarovana malagasy. Minitra faha-62, nampiditra ny baolina faharoa i Tsiry rehefa namotsotra baolina i Randolf, vodilaharana. Teo dia efa nazava ny fandresena ho an’ny Barea. Na izany aza, nisy daka niendrika tolotra nataon’i Agyapong, teo amin’ny minitra faha-67 ka nahavoafitaka an’i Nina, ka nampikobana ny masonaraton’ny Barea. Na mbola nanafika aza i Ghana, tsy nahafaty baolina intsony. Manana isa 3 izany ny Barea, taorian’ity lalao ity. Nahazo isa 3 ihany koa i Soudan, rehefa tsy tonga i Maroc. Raha tsy misy ny fiovana, hidona amin’i Maroc ny Barea ny alakamisy 19 janoary ho avy izao.
Tompondaka