Komity Olympika Malagasy : lany ho filoha faninefany Randrianasoloniaiko Siteny

Nizotra tsara araka  ny tokony ho izy ny fifidianana filohan’ny Komity Olympika Malagasy (Kom), natao tao Toliara, tao amin’ny Hotel Eden Palm, omaly alahady. Lany hitantana ny Kom, faninefany indray Randrianasoloniaiko Siteny.
Niarahan’ny rehetra na­naiky fa tsy hisy ny latsa-bato fa “acclamation” ny hanatanterahana ny fifidianana, izay nahalany ny kandida tokana zato isan-jato. Federasiona 30 amin’ny 31 no tonga nanatrika ny fifidianana no sady niatrika  ny fivoriambe fanao isan-taona. Federasiona tsy nandefa solontena ny taranja tenisy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vaomieran’ny fifidianana, Rakotomalala Marcel, izay nanamafy fa nilamina sy nanaraka ny sata sy ny fitsipika ny fifidianana natao. Hentitra ny filoha Randria­nasoloniaiko Siteny, amin’ny tsy tokony hidiran’ny Mini­si­tera amin’ny raharahan’ny Federasiona. Anisan’ny Fo­to­try ny olana amin’ireo Fe­derasiona roa, dia ny karate sy ny tsipy kanetibe izany, hoy ny nambarany. “Ho menatra i Madagasikara sa­tria karateka ny filohan’ny Repoblika ary tompondaka eran-tany amin’ny tsipy ka­ne­tibe i Madagasikara, ka­nefa dia nofoanana ireo federasiona roa ireo ary tsy anisan’ny handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy izay hatao eto”, hoy ny nohamafin-Randrianasoloniaiko Siteny. Mahakasika ny fitantanana ny Kom kosa, na dia olon’ny politika aza izy dia tsy ho ataony ambaninjavatra ny fanatanjahantena amin’ ity fitantanana ny Kom faninefany ity.

Lalaon’ny Nosy 2023
Anisan’ny tapaka nandritra ity fivoriambe ity ihany koa fa hisy ny tatitra isam-bolana ho an’ny vahoaka mahakasika ny lalaon’ny Nosy, na dia tena mbola baraingo aza ny fanomanana izay tsy mbola misy tokotaniny hatreto, hoy Randria­nasoloniaiko Siteny.
Mba hahafahan’ny Fede­ra­si­ona rehetra mifantoka amin’ izay fanomanana izay, tapaka ihany koa fa hatao aorian’ny lalaon’ny Nosy avokoa ny fifidianana ho an’ireo Fe­de­rasiona tokony hanatanteraka izany.

Mi.Raz

Ireo mandrafitra ny birao mpitantana  ny Kom

Filoha: Randrianasoloniaiko Siteny
Sekretera Jeneraly: Randriamanarivo Harinelina Jean Alex
Filoha Lefitra voalohany: Ravalison Jean Aimé
Filoha lefitra faharoa: Rakotondramanana Nathalia
Mpitam-bola: Relaha Jean Claude
Mpitam-bola lefitra: Ambinintsoarivelo Jean Herley
Federasiona (non Olympique): Ramaherison José
Atleta Olympien: Ravololoniaina Elisa Vania
Mpanolontsaina: Raveloson Mamitiana Nestor

Partager sur: