Mirehitra ny afo, matoa misy mamono afo. Izay ny toe-draharaha etsy sy eroa, tsy hita be ihany amin’izao? Eo ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, tsy mampatoky tena sy mila tsy ifampatokisana. Hatramin’ny olona ampiasaina na namana avy izao no misy mivadika, manoro hevitra na miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy.
Manahirana fa tsaroan’ny aina amin’ny vahoaka ifotony koa izao ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mety ho voafehy, indrindra ny vidim-bary. Vitan’ny fanazavana na fanamarinan-tena ve ny raharaha? Ny fahafaha-mividy no tsy misy na tsy ampy amin’izao, fa tsy mitsaha-mitotongana ny sandan’ny vola ariary. Ho tonga hatraiza?
Sanatria, izay fahasahiranana tokoa ve no mahatonga ny resaka hoe fivarotan-janaka any amin’ny distrikan’Ikongo, ohatra? Mila tsy ho fantatra intsony izay marina, fa samy mitompo teny amin’izay fantany izay miteny. Na olom-boafidy io, na olom-boatendry, na fikambanana… Soa ihany, efa nisy ny fanadihadiana ifotony.
Eny anivon’ny fiarahamonina isan’andro vaky izany rehetra izany: tsy azo odian-tsy hita, tsy azo afenina. Haingana be ary eo noho eo ny fampitana azy amin’ny tambajotran-tserasera. Mifangaro voraka amin’izany na ny vaovao marina, na lainga, na tsaho, na fanakorontanana… Mila hamarinina fa tsy azo hohanina amim-bolony amin’izao.
Mila fahendrena koa ny tsirairay amin’izany. Na ny mpiara-monina, na vondron’olona… Mora andairan-javatra na resaka tsy inona na tsaho ny maro sy ny fiarahamonina amin’izao? Marisarisa sy madisadisa amin’izay mitranga sy iainana isan’andro, hany ka tsy mandanjalanja sy tsy te hisahirana amin’izay raisina sy ampitaina,
Misy mihevitra fa rehefa tenenina imbetsaka ny lainga dia lasa marina, na tenenin’ny maro, na tenenina maharitra… Misy ny mamono afo amin’izany, fa hoe misy mandrehitra afo: vonoina ho faty ny afo. Nefa misy koa ny mamono afo amin’ny hoe fonosina lainga ny marina? Nefa ny marina toy ny afo: raha fonosina, mandoro.
Ilaina ny fitandremana fa saro-pady izao ankatoky ny fifidianana izao. “Afa-mamitaka ny olon-drehetra mandritra ny fotoana voafetra ianao, afa-mamitaka olona vitsivitsy mandritra ny fotoana rehetra, fa tsy ho vitanao ny mamitaka ny olon-drehetra mandritra ny fotoana rehetra”, hoy ny filoha amerikanina iray izay, Abraham Lincoln.
R. Nd.