« Tsy mendrika ho an’ny filoham-pirenena manana ny hasiny sy ny maha izy azy ny tenin’ny Pasitera Andriamampianina Zaka, nandritra ny fotoam-bavaky ny FJKM teny Antsonjombe », hoy ny ministry ny Angovo, Ramaroson Andry. Niaiky ny tenany fa tsy tonga lafatra ny eto. Mbola betsaka ny tsy vita saingy tsy rariny ireny, araka ny nambarany. Tsy nampoiziny ho olon-dehibe maodely nefa hanao fomba fiteny sy firesaka toy ireny ho an’ny mpitondra. Anisan’ny tenim-pikasana ho an’ity taona ity ny fankatoavana, nambaran’ny filohan’ny FJKM. « Tsy tokony hiseho ny teny maneho tsy fankatoavana sy faniratsirana », hoy izy. Nilaza ny hivavaka ho azy ny minisitra, mba hahita ny fahazavana, ny fahamarinana, ny tsara indrindra izy ka tsy hiteny ratsy noho ny anaran’i Jesoa Kristy. « Aoka ho maodely ary ho tonga fianarana fa tsy ho tonga fizarazarana», hoy izy.
Mino ( Mpianatra asa)