Handray anjara…. tsy handray anjara? Tamin’ny ora farany, tsy mandray anjara ny Liona-n’i Atlas Maroc, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, tanterahina any Algerie. Raha ny vaovao nivoaka tamin’i Africanews.fr ny asabotsy lasa teo, tsy nomen’ny fitondrana Alzerianina, fahazoan-dalana hisidina ny habakabak’izy ireo ny fiaramanidina Maraokanina. Raha tsiahivina, efa tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina Rabat-Salé, ireo mpilalao Maraokanina U23, handray anjara amin’ity “Chan 2023” ity. Niandry ora maro, ahazoana ny alàlana hamonjy an’i Constantine mivantana, saingy tsy nandefa izany ry zareo Maraokanina. Vokany, niverina namonjy ny fodiany ny delegasiona.
Raha tsiahivina, olana ara-diplaomatika teo amin’ ny roa tonta ny anton’izao tsy fifanarahana eo amin’ izy ireo, izao. Ny 21 septambra 2021, nanapa-kevitra ny fitondrana Alzerianina, fa nanakatona ny habakabany ho an’ny sidina sivily sy miaramila an-dry zareo Maraokanina. Naneho ny alahelony, tamin’ izao fanakanana ny ekipa Maraokanina izao, ny filohan’ny federasiona, i Fouzi Lekjaa. “Mahonena ny tsy famelana ny ekipan’i Maroc tsy hanao “Chan”, izay efa niomana nandritra ny enim-bolana ary tsy afaka akory hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany”, hoy izy.
Araka izany, tsy misy afa-tsy ny Barea sy i Soudan ary i Ghana, izany no hiady ny toerana roa hiakarana amin’ny ampahefa-dalana, ho an’ity vondrona “C”, ity.
Tompondaka