Ambohimahasoa : trano nifatraran’ny kamiao tapaka hisatra

Tapaka hisatra, nifatratra tamina trano iray amoron’arabe ny kamiao lehibe iray tao Antalata, distrikan’ Ambohi­mahasoa, ny 15 janoary misasakalina. Avy any Ihosy, nikasa hihazo an’Antana­narivo ity kamiao ity. Talo­han’ny nialan’ny fiara tany an-toerana, nanamafy ny polisy ao Ambohimahasoa fa tontosa ara-dalàna ny fitsirihana fiara ary tsy nisy olana. Vao velona ny fiara, raha nikasa hihemotra iny ny mpamily dia niroso indray izany. Olana teo amin’ny hisatra, nifatratra tao amina trano iray avy hatrany ity kamiao ity. Vokany, potika ny vataben’ilay kamiao sy ilay trano. Tsy nahiana kosa ny ain’ny mpamily.

Tsiferana R.

Partager sur: