“Concours d’affiche sensibilisation 2022” : misokatra ho an’ny olona rehetra ny fifidianana

Fantatra nanomboka ny 11 janoary 2023, ny mpandray anjara miisa 10 hofidina ao anatin’ny fifaninanana “Con­cours d’affiche de sensibilisation 2022”, nokarakarain’ny CID na Communication Idea Development. Izy ireo izay voafidin’ny mpitsara tao anatin’ny 253 nandray anjara. Ao amin’ny tambajotra sosialy no handeha ny fifidianana, izay ahafahan’ny olona rehetra mandray anjara. Miisa roa ny mpandresy hivoaka ao anatin’izany. Ny iray voafidin’ny sarambabem-bahoaka ary ny iray voafidin’ny mpitsara. Amin’ny alalan’ny fanaovana ako ny sanganasan’ny mpandray anjara ao amin’ny tambajotra sosialy no ahafahan’ny sarambabem-bahoaka manohana. Mialoha ny 20 janoary no ahafahana manao izany rehetra izany.
Tanjona ao anatin’izao fifaninanana izao ny fanentanana ny vahoaka hiala amin’ny tsaho, indrindra ny manodidina ny valanaretina coronavirus. Antony nahatonga ny fikambanana nikarakara ny “Concours d’affiche sensibilisation 2022” ny fitrandrahana ny talenta sy traikefa ary fahaiza-manao eny anivon’ny fiarahamonina eny. Eo ihany koa ny fanomezana lanja ny mpanakanto sy ny mpamorona. Fepetra isan’ny nisafidianana ireto sanganasa 10 ireto ny famoronana, eo ihany koa ny maha zavakanto azy ary ny tena zava-dehibe napetraky ny mpikarakara dia ny hoe na ny olona tsy mahay mamaky teny aza tokony hahazo ny tiana hambara amin’ny alalan’ny singa mandrafitra ny sary.
Nisokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana ary olona sangany eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny serasera no nofidina hitsara ny sanganasa tsirairay avy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: