Fambolen-kazo 2023 : hahemotra amin’ny 28 janoary

Andro ratsy ! Nanapa-ke­vitra ny fanjakana fa hahemotra amin’ny asabotsy 28 ja­noary ho avy izao, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ny taona fambolen-kazo 2023. Antony, vokatry ny fampahafantarana avy amin’ny sampandraharahan’ny mpamantatra ny toetr’andro, fa hisy andro ratsy miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina ato ho ato. Hisy fiantraikany any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy .
Tsy miova ny toerana hanaovana ity hetsika ity, any Ilaka Est, distrika Vatoman­dry, faritra Atsinanana. Ma­hatratra 100 ha ny velaran-tany hoenjehina hambolen-kazo mandritra io fotoana ofisialy io, manerana an’i Mada­gasikara. Maherin’ny 700.000 ny zana-kazo hambolena amin’izany.

Njaka A.

Partager sur: