Fanadihadiana : mikatso ny toekarena amin’ny sehatra maro

Sakana lehibe ho an’ny fampandrosoana eto Madagasikara ny harinkarena maivana sy ny krizy maro miverimberina. Eo ny krizy politika matetika fa eo koa ny Jirama sy ny lalan-dratsy tsy afahana miasa, nampian’ny valanaretina Covid-19 tamin’ny 2020.

Intelo nikatso lalina ny toekarena raha nihen-danja -7,1% noho ny fikatonan’ny tsena amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, fizahantany, fitaterana, sy sampandraharaha samihafa. Mi­ampy ny fiovan’ny toetr’andro, mahatonga ny haintany amin’ny faritra sasany, ny are­tina mahazo ny biby fiompy any Atsimo.
Azo lazaina fa ny krizy nentin’ny Covid-19 nanimba fiharian-karena maro efa tsara toerana tao anatin’ny 10 taona, ary nampahazo vahana ny fahantrana, tafakatra hatrany amin’ny 82 %, araka ny fahitan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena.
Nihamafy ny krizy any Atsimo noho ny haintany nanimba ny fambolena, mitarika tsy fahampian-tsakafo sy fifindra-monina. Nanomboka niarin-doha anefa ny toekarena ny 2021, saingy tapaka indray tamin’ny 2022 noho ny aretina ihany, fiovaovan’ny toetr’andro, sy ny ady any Ukraine.
Misy fiantraikany ratsy io ady io satria mandona ny Vondrona eoropeanina izay ifampiraharahan’i Madagasi­ka­ra voalohany eo amin’ny lafiny ara-barotra. Nahatonga fiakaran’ny vidin’entana maro izany. Ny jolay 2022 nisondrotra ihany koa ny vidin-tsolika.

Heverina ho 4,2 % ny PIB

Nokajiana ho 2,6 % noho izany rehetra izany ny harin-karena faobe (PIB) tamin’ny 2022 (raha 5,4 % teo aloha). Midika izany fa nidina ny fari-piainan’ny maro anisa. Ity taona 2023 ity, heverina hitombo 4.2 % izany, ary amin’ny taona 2024, hiakatra 4,6 %. Na izany aza, tsy mampisy fivoarana haingana ny zava-misy ankehitriny.
Vokatra andrasana ny hampihena miandalana ny fahantrana. Mila miova, noho izany, ny politika momba ny tetibolam-panjakana. Tokony any amin’ny fotodrafitrasa sy sehatra mamokatra.

Ndrina

Partager sur: