Nandray fepetra ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny fanjifana (MICC) manoloana ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina andavanandro (PPN), indrindra fa nisy ny fandrahonana nataon’ireo mpitatitra hitsahatra amin’ny fitaterana ataony noho ny lalan-dratsy Antananarivo –Toamasina (Rn2). « Miatrika ny maitsoahitra rahateo ny MICC, hanaraha-maso ny vidin’entana sy ny tahiry, toy ny vary, ny siramamy, menaka, hatramin’ny simenitra sao misy manararaotra », hoy ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Atoa Rakotondramanana Onja.
Nambaran’ny Sekretera jeneraly fa efa misy ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ny tompon’andraikitra samy hafa, hatramin’ny Mpiaro ny zon’ny mpanjifa. « Jerena any ifotony ny vidin’entana sy ny tahiry misy, indrindra ny faktiora any amin’ireo mpivarotra hanamarinana ny vidin’entana. Hatramin’izao aloha, mbola tsy atahorana izay tahiry izay raha ny eto Antananarivo renivohitra », hoy ihany ny Sekretera jeneraly.
Misy ny kajy ataon’ny minisitera ka miainga amin’izay ny hamaritana ny endriky ny fanararaotana atao amin’ny mpanjifa. Eo koa ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady. Raha ny vary, ohatra, misy ny vokatra nafarana, ny vokatra eto an-toerana kosa hitsinjovana hatrany ny tantsaha, izay politikan’ny minisitera ny miaro azy ireo. Ny sazy nambaran’ny minisitera dia ny fandoavana lamandy, na koa fanakatonana tsena,
Ho fiarovana ny mpanjifa ihany, misy ny fifampiresahana amin’ireo mpandrahara, manana kamio mpitatitra ihany koa ny maro amin’izy ireo. Izany no atao, mba hijerena hatrany ny fomba hampiakarana ny vokatra nafarana avy any Toamasina.
Ndrina