Vita ny asabotsy lasa teo ny fanadinana an-tsoratra ho an’ireo mpifaninana ho polisy monisipaly sy mpamonjy voina eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Notanterahina omaly kosa ny fizaham-pahasalamana sy fakana ra azy ireo teny amin’ny tobin’ny vondrona polisy monisipaly Anosipatrana. «Tsy maintsy miatrika fizaham-pahasalamana avokoa ny mpifaninana tsirairay mialoha ny fivoahan’ny valim-panadinana satria polisy monisipaly sy mpamonjy voina salama sy tomady no ilaina», hoy ny lehiben’ny vondrona polisy monisipaly, commissaire Ostrom Whenss. Niara-niasa ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy fahasalamana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny sampandraharaha misahana ny toby fitehirizan-dra eny amin’ny HJRA.
600 ireo kandida niatrika izany ary haharitra telo andro ny hetsika. Polisy monisipaly 200 sy mpamonjy voina 100 no horaisina. Manentana ireo rehetra feno 18 taona hatramin’ny 60 taona, feno 50 kg no mihoatra, tsy misy aretina mifindra ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanome ra maimaim-poana satria sady mahasalama izany no fanampiana ho an’ny mpiara-belona. Omaly, mpifaninana hiditra polisy monisipaly sy mpamonjy voina no tonga nanome ra maimaim-poana.
Vonjy