Voalazan’ny tatitry ny Amerikanina fa mihena ny ezaky ny governemanta malagasy momba ny ady amin’ny fanondranana sy famarinana olona an-tsokosoko. Nambaran’io tatitra io fa tsy misy na tsy feno ny antontan-kevitra samihafa ampitain’ny governemanta malagasy momba izany tranga izany.
Hatreto, tsy mbola manana rafitra mahomby ofisialy ny fanjakana malagasy hitsirihana amin’ny fomba matihanina ireo olona tratry ny fanondranana an-tsokosoko na koa ahafahana mandray an-tanana azy ireo.
Na izany aza, nambaran’ny tatitry ny Amerikanina fa efa any am-pelatanan’ny minisitera samihafa any ny paikady an-tsoratra ahafahana miady amin’ny fanondranan’olona an-tsokosoko.
Tsy misy afa-tsy 72 ireo olona voalaza fa tratry ny fanondranana an-tsokosoko, raha nahatratra 175 izany nandritra ny tatitra teo aloha, tamin’ny taona 2016 ary io no antontanisa vitsy indrindra hatrizay.
Tamin’ireo olona 72 tratry ny famarinana an-tsokosoko ireo dia 9 tamin’ireo nampanaovina asa an-terivozona, 18 nampanaovina asa miharo fanararaotana ara-nofo, 45 no nanaovana fanararaotana samihafa.
61 tamin’ireto olona lasibatra ireto vehivavy ary 11 lehilahy ka 48 tamin’ireo olon-dehibe, ny 20 zaza, ny sisa kosa tsy voamarina ny taonany. Voalazan’ny tatitry ny amerikanina koa fa teratany Malagasy avokoa ireo olona 72 ireo.
Nandray an-tanana ireo tratry ny fanondranana an-tsokosoko ireo ny fanjakana malagasy tamin’ny fanomezana fitsaboana sy fampianarana. Miisa 37 tamin’ireo olona ireo no nahazo fiahiana toy izany. Ambany io isa io raha oharina tamin’ny tatitra teo aloha izay nisy olona 117 nahazo fiahiana manokana raha ny nambaran’ny governemanta amerikanina.
Ankoatra ireo tatitra sy antontan-kevitra avy amin’ny fanjakana malagasy dia mbola olona hafa nahatratra 769 no niharan’ny fanondranana an-tsokosoko. Ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny ONG sy ireo sampandraharaha iraisam-pirenena no nandray an-tanana ireto olona ireto. Nomena fitsaboana, tohana hiverenany eo amin’ ny fiarahamonina, tohana eo amin’ny fampianarana izy ireo. Teo koa ireo niasa an-trano tany ivelany ka nalefa nody niverina an-tanindrazana rehefa niharan’ny fampijalian’ny mpampiasa vahiny azy.
Tatiana A