Fifidianana filoham-pirenena: mangataka an-dRatsiraka Annick ho kandidà ny Arema

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Faravohitra ny eo anivon’ny antoko Arema, ny alahady teo. Voaresaka tamin’izany ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vinan’ny antoko.

Vory lanona teny an-toerana avokoa ireo “Co­mité directeur” sy ny sekretera nasionaly lefitra avy amin’ny faritany enina ary ireo rantsa-mangaikan’ny an­toko. Anisan’izany ny tanora sy ny vehivavy ary ny “Pren­sol”. “Mangataka ny sekretera nasionaly Ratsiraka Annick izahay hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena”, hoy ny solontenan’izy ireo tamin’izany. Nilaza ny mbola handinika ity zanaky ny amiraly Ratsiraka ity manoloana izany fitakiana izany. Efa nanambara rahateo ny antoko fa vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra, hifanesy.
Nanaovana tatitra koa ny asa vita sy ny vina hotanterahina amin’ity taona ity. Ani­san’izany ny fitetezana ny renivohi-paritany enina. Ny nahavitana ny fihaonamben’ny rantsan’ny antoko : Tanora sy ny vehivavy. Teo koa ny fanadiovana ny teny amin’ny faritra iva sy ny fanohanana ireo mpanao fanatanjahantena.

Hanao hetsika lehibe ny Arema

Nankasitraka ny mpikatroka rehetra ny sekretera nasionaly amin’ny fifampitokisana eo amin’ireo mpitarika sy ny mpikatroka hatreny ifotony. “Vonona ny antoko amin’ny fanohanana ireo mpikambana mirotsaka hofidina ho ben’ny Tanàna, depiote ary hatreny anivon’ny fokotany. Teny filamatrantsika ny : “Vahoaka sy firenena” ka hoentintsika ha­natanterahana ny vinantsika izany”, hoy izy.
Hanombohana izany ny hetsika lehibe, hataon’ireo mpikatroka eto Antananarivo sy ny manodidina. Arahan’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny Arema, ny 19 marsa izao.
Tsiahivina fa natao ny alahady teo ny lalao famaranana ny fifaninanana Rugby ho an’ ny teny amin’ny distrikan’ Ava­­radrano. Natao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy izany ka nanolotra ny valisoa tamin’izany ny Arema.

Synèse R.

Partager sur: