Fihariana: mahasarika olona maro ny fiompiana akoho gasy

Fihariana iray mahasarika olona maro ny fiompiana akoho gasy, mety hahazoana tombony betsaka, araka ny isany, izay miankina amin’ny toerana misy azy. Hita fa mbola betsaka amin’ny mponina amin’izao fotoana ny manao fiompiana tranainy, izany hoe, tsy tena matihanina ny ankamaroan’ny mpiompy mbola mampiasa fiompiana tranainy.
Hatramin’izao aloha, araka ny fanadihadiana natao, tsy mbola maharaka ny tinady ny tolotra avy amin’ireo mpiompy akoho gasy. Mitohy ihany ny fanentanana ho fampitomboana ny vokatra, ka mila arahina amin’ny antsipiriany tsara ny fepetra amin’ny sakafo sy ny fahadiovana hitandrovana ny fahasalamany.
Anisan’ny hamantarana fa ahazoana tombony ny akoho iray, dia izy milanja 2 kg raha feno enim-bolana. Hatramin’ ny fahenim-bolana izay ny akoho iray mahalany sakafo 10 kg amin’ny ankapobeny (provandy, anana, sns). Fi­ompiana manaraka teknika vaovao, akoho iray manatody 12 hatramin’ny 20 isaky ny fotoanany ary mikotrika ine­nina na impito ao anatin’ny taona. Raha fiompiana amin’ny fomba taloha, mikotrika intelo ihany.
« Tsy tokony hahakivy raha misedra olana ny mpi­ompy fa zahana ny tsy mety, ary izay no handraisana lesona sy hijerena vahaolana hatrany, tonga hatrany amin’ny fiofanana. Ny fiompiana akoho gasy dia mi­voatra toy ny asa rehetra, mila fahazarana, fikarohana, faharetana sy fiofanana », hoy ny mpiompy iray.

Ndrina

Partager sur: