Anisan’ireo nisitraka fotodrafitrasa avy amin’ny Fondation Orange ny any Ambatomanjaka, any Itasy. Efa tafiditra amin’ny antsoina hoe “Village Orange” rahateo ny any an-toerana, nanomboka ny taona 2014.
Anisan’izany ny tobim-pahasalamana CSB II natokana ho an’ireo antsoina hoe “Maman Kangourou”.
Notokanana, omaly izany fotodrafitrasa izany. Niatrika izany tany an-toerana ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson sy ny mpanorina ny “Compassion Madagascar”, Ranjanoro Elodie Prisca. Manampy izany ireo manampahefana isan-tokony.
Efa CSB II faha- 25 niarahana amin’ny fikambanana “Compassion Madagascar” ity naorina any Ambatomanjaka ity. Tsy vitan’izany fa nisahana ny fanofanana ireo mpiasan’ny fasahalamana sy ny fampitaovana ho an’ny reny sy ny zaza momba ny “Maman Kangourou” ity ny Orange Solidarité Madagascar. Manampy izany fanomezana jiro ho an’izany toerana izany.
Tafiditra ho anisan’ny sekoly nomerika koa ny CEG ao Ambatomanjaka. Nisitraka ireo kojakoja momba izany ireo mpianatra miisa 520. Anisan’izany ny “Tablettes, serveur, ordinateur portable, projecteur…”.
Tsiahivina fa efa nahazo paompy miisa 17, naorina ny taona 2014 ny ao Ambatomanjaka. Hanamora ny fahazoana ny rano fitsotro ho an’ny mponina.
Synèse R.