Hetsiky ny minisiteran’ny Asa : hotsirihina ny herisetra eny amin’ny orinasa

Mametraka ho vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (MTEPLS). Tafiditra amin’ny vina ho an’ny asa mendrika ho an’ny maro anisa izany.

Mazava ny lohahevitra, amin’izao hetsika izao : “Herisetra amin’ny toeram-piasana: mi­ady ho an’ ny tombontsoan’ny mpiasa ny minisitera mpiahy”. Nivoitra tamin’izao fa­nombohana ny hetsika izao ny ady amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana. Mi­seho amin’ny endrika samihafa izany. Eo ny herisetra ara-nofo na herisetra ara-tsaina. Mety hiafara amin’ny fanararaotana ara-nofo aza izany ho an’ny mpiasa vehivavy. “Hite­raka voka-dratsy na ho an’ny mpiasa na ho an’ny mpampiasa ary ny fihenan’ny taham-pamokarana ho an’ny toeram-piasana anjakan’ny herisetra izany”, hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny MTEPLS , omaly. Nidina ifotony teny amin’ny toeram-piasana eto andrenivohitra izy ireo tamin’izany.

Famaizana ny mpandika lalàna

Niresaka mivantana ta­min’ ny solontenan’ny mpiasa amin’ ny orinasa mpisehatra amin’ny fanenoman-damba iray. Noha­zavaina ny ady amin’ny herisetra mety hitranga eny amin’ny toeram-piasana. « Tsy ny resaka karama na ny fisitrahana ireo zon’ny mpiasa ihany no tanjona. Eo koa ny fanandratana ny toeram-piasana mba ho lavitry ny herisetra samihafa », hoy izy ireo. Ilaina koa ny fi­fampiresahana eo amin’ny mpi­asa sy ny mpampiasa na ihany koa eo amin’ny samy mpiasa manoloana ny tranga tahaka izany.
Manampy izany ny fanadihadiana lalindalina kokoa ny tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ny toeram-piasana, mba hanafaizana ireo mpandika lalàna sady fisorohana mialoha ny tranga herisetra, araka ny nambaran’izy ireo. Nanka­sitraka ny hetsika tahaka izao ireo mpiasa. Anisan’ny ma­nampy ho amin’ny fanajana na fampiroboroboana ny zon’ny mpiasa izany, araka ny nambaran’izy ireo. Efa tafiditra rahateo amin’ny hetsika « 100 andron’ny tovovavy sy vehivavy Malaga­sy » ny fanentanan’ny MTEPLS izao.

Fampiasana zaza tsy ampy taona

Etsy andaniny, nampanantena ny handray anjara amin’ny hetsika iarahana amin’ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy ny minisitra, Ranampy Gisèle. Handray fepetra ho fanatevenana ny ady atao amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny fampiasana zaza tsy ampy taona ny minisitera tantaniny.
Hitohy any amin’ny faritra fito hafa ny hetsika tahaka izao ka anisan’izany ny any Sava, Anosy, Boeny, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Menabe ary Atsimo-Atsinanana. Ha­naovana fidinana ifotony amin’izany ireo orinasa maherin’ny 450 amin’ireo faritra voalaza. Misehatra amin’ny tontolon’ny varotra, ny fanorenana ary ny fanenoman-damba ireo ha­naovana hetsika manokana ireo.
Tsiahivina fa hiompana amin’ny ady momba ny fampiasana ankizy tsy ampy taona eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana lavanila sy eladrano ny fa­nentanana atao any Sava sy Anosy.

Synèse R.

Partager sur: