Jirama -Toamasina: mahazo vahana indray ny delestazy

Herinandro maninjitra izay, manomboka miverina indray ny fahatapatapahan’ny herinaratra eto Toamasina. Ary ny herinandro lasa teo, andron’ny alarobia, alakamisy sy zoma dia tapaka hatramin’ny rano. Raha iverenana ny fahatapahan’ny herinaratra, tsy mifidy ora izany ary tapaka iray manontolo ny amin’ny renivohitry ny toekarenan’ i Ma­dagasikara, tapaka ny ali­na, mitohy ny maraina, hatramin’ny antoandro.
Ny zoma teo, ohatra, dia tapaka aloha tamin’ny 3 ora  maraina ka hatramin’ny 7 ora sy 45 minitra, tapaka ihany koa tamin’ny 10 ora ka hatramin’ny 11 ora, nitohy tamin’ny 11 ora sy 45 minitra ka hatramin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny hariva mbola tsy niverina ny jiro sy rano.
Vokany, ny tsy fandriampahalemana efa manao ny ataony mbola hianjadian’ny haizina ihany koa ny tanàna, mahazo vahana noho izany ny ratsy, mirongatra ny vaky trano eny anivon’ny fokontany maro, ny fanendahana. Ny rano tsy misy nefa mafana ny andro, ny valan’ aretina misoko mangina. Tapaka ny ranon’ny Jirama izay tokony hojifain’ny vahoaka. Afaka mividy rano efa anaty tavoahangy kosa ny manan-katao.

Sajo

Partager sur: