Mitondra rotsakorana be sahady ho an’ny distrikan’i Sambava ny tangoron-drahona any an-dranomasina. Nandray fepetra nampitsahatra ny fampianarana ny Cisco.
Nijohy nanomboka ny alahady alina ary nitohy hatramin’ny omaly tontolo andro ny orana any amin’ny distrikan’i Sambava, araka ny fanazavan’ny proviseur ny Lycée ao an-toerana, omaly. Vokany, niakatra avokoa ny rano, indrindra amin’ny tanàna iva. Ho fiarovana ireo mpianatra, natsahatra ny fampianarana satria nanome toromarika ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianatra sy ny sefo Cisco any an-toerana. Samy efa nandray ny andraikitra tandrify azy avy ny mpitantana ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena ao an-tampon-tanàna sy manodidina. Miankina amin’ny fivoaran’ny toetry ny andro ny hiverenan’ny fampianarana indray. Raha mbola mitohy ny orana dia miato hatrany ny fandraisana ny mpianatra. Efa nihena ny herin’ny orana omaly atoandro fa ny alahady alina hatramin’ny marainan’ny alatsinainy no tena nivatravatrabe.
Hitambatra ireo tangoron-drahona roa
Vinavinaina hitambatra ilay tangoron-drahona (ZCIT) roa any amin’ny ranomasina Indianina ary hanambana ny faritra avaratra iray manontolo anio na rahampitso: Diana, Sava, Analajirofo hatrany Atsinanana, hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Tany amin’ny 2009 km atsinanan’ny Nosy ilay iray ary 957km any avaratra atsinanan’i Vohémar kosa ilay faharoa. Mikisaka mianandrefana manatona ny morontsiraka eto amintsika izy. Rahona avy amin’ny ranomasina indianina no nitondra ny orana betsaka tany amin’ny faritra Sava, omaly. Entanina sahady ny mponina amin’ireo faritra voakasika ireo, hoy ny Meteo Malagasy hitandrina amin’ny mety habetsahan’ny rotsak’orana anio sy rahampitso. Tany Antalaha, omaly, mbola nizotra tsara ny fampianarana na teo aza ny orana. Teo an-tampon-tanàna, tsy mbola nisy fiantraikany ny orana ny alahady sy omaly maraina.
Eto afovoan-tany, vokatry ny fisian’ireo tangoron-drahona ireo, manjaka ny tsioka avy any atsinanana ka ho maloka sy hanerika eto Analamanga sy ny manodidina. Hanjombona koa ary hahazo orana ny any Atsinanana. Hidina ny maripana eto afovoan-tany sy any atsinanana raha hafana be any atsimon’ny Nosy.
Vonjy A.