Tabera Randriamanantsoa: “Andao aloha hikaon-doha”

“Vonona hatrany amin’ny fifidianana ny antoko Kinta­na. Fifidianana manao ahoana izay? Tamin’ny taona 2013 izahay no efa niteny na nirotsaka ho filohan’ny Repoblika aza tamin’izany fotoana iza­ny: andao aloha hanao fihaonambem-pirenena”, hoy ny mpandrindra nasionaly sady filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa, manoloana ny raharaham-pirenena.
Nanao fifidianana filohan’ ny Repoblika hatrany ny Ma­la­gasy teto. Teo koa ny fifidianana solombavambahoaka, fifidianana ben’ny Tanàna. Nefa tahaka izao no iafaran’ny firenena. Ny dikan’izany: tsy ny fifidianana no manarina ny firenena, fa ny zavatra maharary no halamina. Fano­renana ny firenena malagasy izany. Mahamenatra ny zava-mitranga, andrasana vola any ivelany ny fifidianana rehetra atao eto. Ny tetibola iasana eto Madagasikara, ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam- pirenena (FMI) no manao azy. “Vanim-potoana izao diavintsika izao hiadiantsika hevitra hanangantsika firenena”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: