Teny fampianarana teny Antsonjombe: nankasitraka ny asa fitoriana i Papa Solo

Hevitra hafa tsy itoviany amin’ireo namany ? Anisan’ ireo voasa ka nanatrika ny fo­toam-bavaky ny FJKM natao teny Antsonjombe afak’omaly lasa teo, ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Rasolonjatovo Honoré na i “Papa Solo”. Nambarany fa fitaovana lehibe ahazahoana miady amin’ny fiainana andavanandro, ny olana eo amin’ny fiainam-pirenena ary amin’ny lafin-javatra rehetra ny fotoam-pivavahana tahaka ireny. “Anisan’ny manorina ny toekarena, heverina ho tsara tantana ihany koa izany”, hoy hatrany izy.

Tsy tokony hiseho ny olana

Tsy tokony hanana olana eo amin’ny lafiny politika na ekonomia na amin’ny lafiny sosialy ny vahoaka raha an­katoavina ny asa fitoriana ny filazantsara eto amin’ny firenena, fanazavany hatrany. « Anisan’ny firenena manana harena voajanahary betsaka i Madagasikara ka mampieritreritra ny fahantrana mianjady ny vahoaka » hoy izy na­marana ny teniny. Nanara­rarotra niarahaba ny mpino kristianina FJKM rehetra ny tenany. Tsy nanadino niarahaba nahatratry ny taona vaovao ary nirary soa ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ihany koa ity filoha lefitry ny Anteni­mieram-pirenena ity.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: