“Tamatave Midera”. Ankoatra ny maha seho fiderana goavana azy, hanehoana firaisankina ihany koa ny hetsika. Hanomboka ao Toamasina ary kasaina hiparitaka manerana ny Nosy izany.
Raha ho an’ny gospel manokana, anisan’ny hetsika goavana indrindra homanina ny “Tamatave Midera”. Nitondra fanampim-panazavana tetsy amin’ny Ethnika Analakely, omaly, ny solontenan’ireo mpanakanto sy ny mpikarakara. “Raha niketrika ity hetsika ity tany am-boalohany izahay, dia samy resy lahatra hoe nahoana moa no tsy atomboka amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny taona vaovao? Ankoatra izay, efa nokasaina ela ny hiaraka amina hetsika goavana amin’ireto mpanakanto mpiara-midera ireto”, hoy ny fanazavan’i Heman, mpitarika ny Meva Gospel sady anisan’ireo mpikarakara fototra ihany koa.
Haka endrika fampisehoana goavana ankalamanjana, hotontosaina manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina ny “Tamatave Midera”. Hatao ny alahady 29 janoary izao, manomboka amin’ny 4 ora hariva. Raha ny fandaharam-potoana, hanokatra ny fampisehoana ireo antoko mpihira isan-tsokajiny ao Toamasina. Aorian’izay kosa ny fiarahana sy fifandimbiasan-tsehatra ho an’ny Meva Gospel, Tana Gospel Choir ary ny Jaw’s Band.
“Tsy sanatria fifaninanana akory io, fa fanehoana aza fa misy firaisankina voizina amin’ny fiderana an’Andriamanitra”, hoy i Jao, mpitarika ny Jaw’s Band. “Hamafisiko izay fa hatao hampiray ny Malagasy koa ny hetsika toy izao. Any Toamasina aloha no hanomboka, fa hirariantsika ny hisiany manerana ny faritra rehetra”, hoy i Fidy, mpitarika ny TGC, nanamafy izany.
Nahoana no “Tamatave Midera”? Satria hoe Toamasina no vavahadin’i Madagasikara. Avy any Atsinanana no miposaka ny masoandro ary misandrahaka hoan’ny rehetra. Midika fanombohana satria irariana hitohy sy haharitra ny hetsika, raha ny fanazavana.
Zo ny Aina