Nanao hetsika fanairana ny fanjakana, hijery akaiky ny haratsian-dalana ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena, omaly alatsinainy 16 janoary, taorian’ny fe-potoana 15 janoary nomen’izy ireo. Antony, miteraka fahasimbana sy loza mateti-pitranga ny haratsian’ny lalana, nefa toy ny antso an’efitra ihany no natao hatramin’izay, ka tonga amin’izao hetsika izao. Niantso ny firaisankinan’ny mpampiasa lalana rehetra ny filohan’ny Sendikàn’ny mpamily matihanina eto Madagasikara (SCPM), Rakotoarisoa Joelson Gabriel.
Manodidina ny 30 ny kamiao nitandahatra nanamorona ny RN 2, omaly, tany Karefo, manakaiky ny tetezan’i Mangoro, kaominina, Anosibe Ifody, distrika Moramanga.
Tsy nibahana ny fifamoivoizana izy ireo, fa afaka nandeha ny fiarakely sy ny mpitatitra olona. Tsy nandeha ny kamiao mpitatitra entana, afa-tsy ny mitatitra entana maika sy tena ilain’ny daholobe, toy ny PPN, ohatra.
Na aravona fotsiny aza
Maromaro ny fitakian’izy ireo. Isan’izany ny tokony hanarenan’ny fanjakana haingana ireo lalana tena ratsy, na dia aravona fotsiny aza, fa tsy tokony miandry ny antso tolo-bidy amin’ny 15 febroary 2023. Eo koa ny fivilian-dalana any Antsatsaka Moramanga sy ny tetezana pont Bailey Ambarilava Moramanga. Ho azy ireo, tokony hafindra toerana ny fandanjana fiarabe pont bascule any Ambatolampy. Mila harenina haingana, lalana fidirana sy fivoahana ao amin’ny seranan-tsambo sy ny ladoany any Toamasina. Mila ampitomboina koa ny isan’ny vavahady ao amin’ity seranan-tsambo ity.
Njaka A.