Misy ny tetikasa Filamatra atao eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano, tohanan’ny fikambanana Cemes, manohana ny tantsaha, hanatsarana ny fomba fambolena sady mitsinjo ny tontolo iainana. Miara-miombon’antoka amin’izy ireo ara-bola ny japoney. Isan’ny tantsoroka omena ny tantsaha ny fampiasana ny fomba famokarana ampiasana ny akora sy zavamaniry eto an-toerana, hanamboarana zezika.
Lafo ny zezi-bazaha ! Tafakatra 6.000 Ar ny kilaon’ny zezika NPK sy ny DAP, raha toa ka 3.000 Ar tany aloha. Noho izany no nahatonga ny tetikasa Filamatra, nampianatra ny tantsaha mpamboly, amin’ny fanamboarana zezika miankina amin’ny zava-maniry eto an-toerana ihany, sy ny fampiasana azy ireny hatao fanafody hiadiana amin’ny bibikely mpanimba voly.
Miisa 306 ny tantsaha nahazo tohana tamin’ny tetikasa Filamatra, ary misy 15 ny fikambanan’ny tantsaha.
Isan’ny nisitraka izany Razafindrakoto Richard, izay nofanina ho lasa mpanaparitaka ny fiofanana sy ny traikefa azony any amin’ny tantsaha hafa indray avy eo. Nohazavainy fa misy ny karazana zezi-pahitra, antsoina hoe, « bokashi », izay teknika japoney. Afangaro ny ampombo, ny ravina maitso samihafa (afa-tsy ny kininina sy ny kesika), ny tain’omby lena, ny lavenona ary laroina amin’ny « levure » (fanamboarana mofo). Aotrika mandritra ny 15 andro ireo, tsy atao tratry ny masoandro, ary tsy avela ho tafiditry ny rivotra. Vita ny zezika aorian’izay.
Vary sy voly an-tanety
Azo ampiasaina amin’ny voly an-drano toy ny vary sy ny voly an-tanety rehetra ity zezika ity, izay mahafeno ny fepetra rehetra. Nanamafy izany ny mpandrindra ny tetikasa Filamatra, Razafindrakoto Mamonjisoa, nilazany, fa ao anatin’ny Bokashi daholo ireo akora hita amin’ny zezika rehetra (NPK, DAP), izay ilaina amin’ny voly mamody, ny mandravina ary ny mamoa. Vao mainka manatsara ny nofon’ny tany, mampitombo ny tsiron’ny tany, mitazona ny hamandoan’ny tany ary mampiakatra ny vokatra ny fampiasana azy, fa tsy mba lasa manamafy ny nofon-tany toy ny zezika simika.
Avo roa heny ny vokatra
Notsorin’i R. Richard, fa niova tokoa ny vokatra taorian’ny nampiasany ny zezika bokashi. Nitombo avo roa heny sady vaventy voa ny tsaramaso, ny frezy, ny katsaka namboleny, ny voatabia. Mampiavaka azy koa, azo tahirizina ela kokoa ny vokatra mihoatra amin’ireo nampiasana zezika NPK. Nitombo sady be voa ny voam-bary. Tsy mamaky tany intsony ny hafanana rehefa amin’ny vanim-potoana tsy ampy rano, fa mijanona ho mando hatrany ny tany.
Mikasika ny ady gasy, maromaro ny azo ampiasaina amin’ny famonoana bibikely. Isan’izany ny ravina voandelaka, ny dingadingana, ny sakay pilokely, sns.
Njaka Andriantefiarinesy