Vinavinainy ho tonga “tempête tropicale” ilay andro ratsy rehefa hiditra ny morontsiraka ao Antalaha, rahampitso vao maraina, hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.
Manodidina ny 70 ka hatramin’ny 80km isan’ora ny herin’ny rivotra hoentiny amin’izay fotoana izay. Omaly, tany amin’ny 1495km ao atsinanan’i Vohémar no nisy azy ary mitondra rivotra 45 km isan’ora sy tafiotra 65km isan’ora ny ivony, omaly maraina. Mikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana ny diany ka mahafaka 28km isan’ora. Ho betsaka ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sava ary ho mafy ny alon-drano eny an-dranomasina manomboka eo Cap d’Ambre ka hatrany Toamasina sy Mahanoro ka tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpampiasa ranomasina manomboka anio. Efa nandefa filazana loza fanairana ho an’ny faritra Diana, Sava, Analanjirofo, Atsinanana ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro hiomanan’ireo mponina sahady amin’ny fiavian’ny andro ratsy. Ahina ho tondraka ny faritra iva rehetra vokatry ny hatevin’ny rotsak’orana ka entanina sahady ireo mponina eny ho mailo sy hanaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro ary hanaraka ny vaovao tsy tapaka.
Any Sainte Marie, efa nitsahatra ny fifamoivoizana an-dranomasina rehetra mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Sainte Marie sy Mahambo-Sainte Marie noho ny rotsak’orana. Miato koa ny asa eny anivon’ny seranan-tsambo rehetra voakasika ary tombanana ho herinandro ny fampitsaharana, araka ny filazana navoakan’ny APMF faritra Analanjirofo. Efa misy ny fivoriana nataon’ny tomponandraikitra rehetra ao an-toerana hiomanana amin’ny fiavian’ny andro ratsy. Nojerena akaiky ireo toerana iva sy ny fotodrafitrasa azo hamindrana ireo mponina rehefa miakatra ny rano. Any Andapa, naato koa ny fampianarana omaly fa nijotso ny orana. Eto Analamanga, ho maina ny andro fa hitohy ny erika, ny tapany hariva anio no hirotsaka ny orana.
Vonjy A.