Mbola tsy rivodoza akory fa tandindony fotsiny, izay mitondra orambe mitsitapitapy sy rivotra antonony aloha hatreto no misy ao an-dRenivohitr’ i Betsimisaraka. Ankilany, efa manano sarotra ny fifamoivoizana, tsy manao kiraro ireo tsy manana fiara raha hiala any an-trano hamonjy sekoly na toeram-piasana fa efa milanja kiraro avokoa noho ny rano efa mihandrona etsy sy eroa. Dibo-drano ny lalana rehetra vokatry ny fahatsentsenan’ny tatatra tsy misy fikarakarana, indrindra ny lalana an-tampon-tanàna tsy misy fanamboarana. Ireo lalana vao vita indray dia simba sahady noho ny faharatsian’ny fanamboarana.
Etsy ankilany kosa, mangingina ny solontenam-panjakana. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny
fanentanana ny vahoaka amin’ny mety ho fiatrehana ny fidiran’ny rivondoza izay tombanana ho ato ho ato
Sajo