“Fespaco 2023” : voafantina ny sanganasan’i Hary Joël

Tafiditra ao anatin’ny hofidina mandritra ny “Fespaco 2023” andiany faha-28 ny sanganasan’i Hary Joël na Rakotovelo Andriaminosoa Hary Joël. Ny «Fespaco» na «Festival panafricain du cinéma et de la télévision de Oua­ga­dougou» dia fetiben’ny sa­ri­mihetsika isan’ny goavana indrindra aty Afrika ary sangany eran-tany. Isaky ny 2 ta­o­na no hanatanterahana azy ary ao Ougadougou, renivohitr’i Burkina Faso. Amin’ity andiany faha-28 ity, ny 25 febroary 2023 hatramin’ny 4 marsa 2023 no hanatontosana izany.

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Hary Joël. Voafidy hifaninana amin’ny “Fespaco 2023” ny sanganasany “A Doll House In The Memory Of The Men And Their Dreams Of Ash Buried Under The Sight of Midnight For The Sweet Rods Of The Warren Farm Cover The True Lord Of The Cage And The Lullabies Lies”. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny laharana voalohany nandritra ny “Ma­da­­gascourt Film Festival” an­diany faha-17 ihany koa izy. Man­dritra ny “Fespaco 2023”, ao amin’ny sokajy tantara foronina fohy izy no mifaninana. Mahatratra 31 ny mpifaninana ho an’ity sokajy ity ma­nokana. Sarimihetsika no­vo­karina mpanatontosa sy m­pamokatra afrikanina avokoa.

Efa maro ny Malagasy nifaninana tamin’ity hetsika ity. Nisy ihany koa ny efa nahazo amboara, toa an-dRamampy Benoit Maurice, nandritra ny andiany faharoa, ny taona 1973.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: