Hanokafana ny Base Toliara: mitaky ny zony amin’ny fampan­dro­soana ny kaominina Tsianisiha

Manodidina ny 25.000 ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II, ahitana fokontany 18. Mangetaheta fampandrosoana izy ireo, saingy manjaka ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa. Ratsy ny vokatry ny fambolena vokatry ny tsy fahampian’ny rano, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Jummerman antsoina hoe « Dada ».

Nahavonjy ny kaominina Tsianisiha ny fisi­an’ny orinasa Base Toliara, taona vitsy lasa izay. Nanamafy ny filohan’ny Di­nabe any an-toerana, Lahini­riko Tovo, fa « nivoatra ny fiainanay, nihena ny asan-jiolahy, satria nanana asa ny tanora sy ny mponina tamin’izany fotoana izany. Maro ny tetikasa ara-tsosialy nomen’ny Base Toliara. Toy ny nahazoan’ny olona anarivony famatsian-drano fisotro ma­dio. Namaha ny ady amin’ny halatra taolam-paty ny na­mindrana ny fasanay, na­norenana vaovao, satria nilaina amin’ny fitrandrahan’ity orinasa ity izany, nefa koa nahasoa anay. Saingy, nijanona avokoa ny tetikasa sosialy rehetra, taorian’ny nampihantonan’ny fanjakana ny Base, izay tena nampalahelo anay tokoa ».
Nolazainy koa fa nanome toky hampiroborobo ny tetikasam-pampandrosoana ny filoham-pirenena, ka hovahany daholo ireo izay mihitsoka rehetra ary hamorona vaovao any amin’izay tsy mbola mi­sy. Tsy misitraka izany anefa ny kaominina Tsinisiha sy ny distrika Toliara II. « Mitondra ny feon’ny vahoaka aho, koa sokafy ny Base Toliara », hoy izy namintina ireo.
Manana fanantenana hisokafan’ny Base indray ny ben’ny Tanàna Tsianisiha teo aloha, Kozatsy. Nambarany fa « ity no hany orinasa vaventy tena afaka hanome asa marobe ny tanora aty Atsimo Andrefana hatreto aloha. Niisa 24 ny tanora avy any an-toerana niofana tany Kenya, an-jatony ny efa niofana tao Toliara, izay reharehanay tokoa izany. Mila ny mihoatra izany izahay. Ankehitriny, mirohotra manao saribao ny mponina, izay manimba ny tontolo iainana, na koa mirona any amin’ny halatra ».

Mila midina any ifotony ny fanjakana
Nanambara i Pascal, sefo fokontany Tsianisiha, fa « tokony midina aty an-toerana ny fanjakana mpanapa-kevitra, mihaona amin’ny mponina sy mijery ny tena zava-misy. Mampalahelo fa olona tsy avy aty an-toerana, tsy miaina aty akory no sahy milaza fa manakana ny fampandrosoana aty aminay. Mi­taky ny hanokafana ny Base Toliara izahay tompon-tany ».
Olobe ao an-tanàna i Mahatokisa Jean Manantena. « Aminay, taninay no voakasik’ity tetikasa ity. Ary tsorinay fa mankasitraka ny fisokafan’ny Base Toliara ny maro an’isa amin’ny mponina aty. Izay no mahatonga anay tsy mitsahatra mangataka izany amin’ny fanjakana satria tombontsoa ho anay. Hijanona ny asan-jiolahy satria ho afaka miaina ny tanora ».

Njaka A.

Partager sur: