Herinaratra : 10 taona nitondrana vahaolana

10 taona lasa izay, firenena 10 no nivory tany La Réunion, anisan’izany ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina, niaraka tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena, nanao sonia nifanaiky hanamafy ny fiaraha-miasany, hampitovy fomba fijery mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro sy ny angovo. Fa­namby iraisan’ny Nosy rehetra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny hanatsarana ny famokarana agovo. Nanom­bo­katamin’io fotoana io, to­kony jerena akaiky miaraka amin’ny mponina ny fiatrehana ny ho avy momba ity angovo ity. Misy ihany koa politika iraisana ao anatin’ny COI.
Efa nitondra fanazavana ireo olana mahakasika ny angovo eto an-toerana, na eo amin’ny tolotra na ny kalitao, fahalafosan’ny vidin’ny herinaratra, fitantanana ao amin’ny Jirama mila fanarenana maika. Mifanohitra amin’ny zava-misy eto an-toerana ane­fa ireo olana rehetra ireo. Ma­dagasikara, manana fahafahana mamokatra herinaratra ha­tramin’ny 7800 Mw avy amin’ny rano, masoandro, rivotra, sns.

Ndrina

Partager sur: