Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Ampanihy, distrika Mahabo, omaly.
Nanafika tao an-toerana ny andian-dahalo 30 isa nirongo basy, tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany maraina. Voaroba ny omby 40 isa-n’ireo tompon-tanàna. Tsy vitan’izay fa mbola nitondra takalon’aina miisa telo noentiny nandositra ihany koa ireo malaso. Saingy navotsony avokoa ireo olona ireo nony tafavoaka lavitry ny tanàna ny dahalo. Etsy ankilany, nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Vokany, latsaka ny omby 10 isa raha mbola karohina kosa ireo ambiny. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola misy ny voasambotra tamin’ity raharaha ity. Tsy nisy ny naratra sy aina nafoy. Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ataon’ ny mpitandro filaminana.
Ankoatra izay, voasambotry ny polisy omaly, tany Bevala Amboasary ireo lehilahy miisa enina voatondro ho nanafika tao an-toerana. Namaky magazay iray mivarotra kojakojam-bisikleta tao amin’ny fokontany Tanambe, Amboasary atsimo tokoa ireto jiolahy ireto. Nampiasa basy mihitsy izy ireo tamin’izany ka very avokoa ireo entam-barotra maro isan-karazany. Vita izay, nandositra izy rehetra ka raikitra ny fifanenjehana. Vokany, voasambotra tao amin’ny fokontany Bevala Galois ny dimilahy raha tafaporitsaka kosa ny iray hafa. Taorian’io, nanokafana fanadihadiana ireto olon-dratsy ka namboraka ny toerana hahitana ny namany.
Araka izany, tratra tao Ankamena ilay naman’izy ireo iray.
Henintsoa Hani