“Manentana ny fikambanana sy ny antoko politika ary ny antokom-pinoana na fiangonana rehetra misy eto amin’ ny tany sy ny fanjakana mba hiara-misalahy hifanome tanana ary hanentana ny manodidina azy sy ny vahoaka amin’ny fametrahana filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena, indrindra amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy. Satria ilaintsika izany na amin’ny lafiny politika, na amin’ny fitoriana Filazantsara.”
Io no nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tokony hohajaina hatrany ny soatoavina malagasy. Tokony hisy ny fifanajana eo amin’ny samy Malagasy. Tsy sanatria ny samy Malagasy indray no mampirisika amin’ny korontana na hanao fihantsiana hisian’ny korontana eto amin’ny firenena, indrindra hanelingelina amin’ny fanomanana sy fanatanterahana fifidianana.
Filaminana sy fitoniana no tadiavin’ny vahoaka amin’ izao fotoana izao. Izay ihany no lalan-tokana hahazoantsika manatanteraka ny asa fampandrosoana, miatrika ihany koa ny fiainantsika andavanandro, indrindra manomana sy mikarakara izay fifidianana izay ho lavorary.
Mila fitoniana ny fanomanana fifidianana
Raha tsy misy ny fitoniana fa korontana no misy eto amin’ ny firenena, tsy ho lavorary izay fanomanana sy fikarakarana fifidianana izay. Ny fisian’ny filaminana no ahazoan’ ny Ceni manatanteraka antsakany sy andavany ny asa rehetra amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana izay hataontsika amin’ity taona 2023 ity. “Noho izany, manentana ny vahoaka malagasy mba hilamina sy ho tony ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny governemanta hahazoantsika manomana fifidianana”, hoy izy.
Amin’izao fotoana izao, efa mandeha araka ny tokony ho izy ny fikarakarana fifidianana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tokony hotandremana ny vaovao avoakan’ny tsirairay. Na amin’ny haino aman-jery izany, na amin’ny tambajotra sosialy. Tokony hitandrina isika. Aoka mba ho vaovao marim-pototra no havoaka mba tsy hisian’ny savorovoro sy ny fikorontanana eto amin’ny firenena. Mba vaovao vita fanamarinana no alefa amin’ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy.
R. Nd.