Mitrandraka tolotra vaovao hatrany. Maro ny tarika natsangany na niarahan’i Erick Manana. Samy manana ny hanitra ho azy raha ny Trio Swing Berlin sy ny Ralah’Trio, izay samy hiaraka an-tsehatra aminy…
Tsy lany “pasy” izy raha fikarohana sy fampiarahana talenta… Tarika ivondronana mpanakanto malagasy ny Ralah’Trio, raha toa ka mpanakanto alemà kosa no mandrafitra ny Trio Swing Berlin. Ny eo afovoany? Erick Manana no hampiaraka sy hampivondrona izay talenta malagasy sy alemà izay an-tsehatra. Seho roa avy hatrany no hanehoany ny masaka, ny 17 sy 18 marsa izao, ao amin’ny Espace Garlande, ao Paris.
“Revy tsy dia fahita firy no sady mandalo fotsiny ihany”, hoy ny filazan’i Erick Manana azy. Tsy matetika tokoa no hahitany fotoana hampiarahana an’ireto mpanakanto ireto toa izao. Hizara roa mazava ny seho, ka ny tapany voalohany iarahany amin’ny Trio Swing Berlin. “Ireo hira mamy fahizay…”, izany hoe, ireo hirana mpanakanto manana ny lazany taloha no naverin’i Erick sy ireto namany vahiny ireto amin’ny fanaovany azy. Hiran’i Erick Manana, saingy narindra
amin’ny filalaovan-dry Ralah’Trio azy kosa ny tapany faharoa, izay sambany ihany koa ho hitan’ny mpankafy an-tsehatra.
Volana maromaro izay no efa nanambara i Erick Manana fa manana tetikasa goavana, miaraka amin’ireo mpitendry tanora malagasy. Teraka taorian’ny nahitany an’i Tsanta Randriamihajasoa sy niantsoan’i Erick Manana hiaraka hitendry aminy io ketrika io. Tsy i Tsanta irery fa niantso an’i Ranto Rakotomalala (gitara beso) sy i Titan Randriamisandrazana (amponga maroanaka) ihany koa izy, satria izy ireo no mandrafitra ny Ralah’Trio. Ampahany fotsiny ny rakikira hita sy re anaty tambajotran-tserasera, fa maromaro ny ketrika efa niarahan’izy ireo.
Efa taona vitsivitsy ihany koa no nisokatra tamina mpanakanto vahiny i Erick Manana. Efa nitety firenena niaraka tamin’ny Lokanga Khöln Quartet izay tarihin’i Jenny Führ izy. Taty aoriana indray, niaraka tamin’ny Trio Swing Berlin, ahitana an’i Daniel Weltlinger (violon), Francisco Batista (guitare manouche), ary François Perdriau (contrebasse). Hira malagasy taloha no niarahan’izy ireo nandrindra, ho henon’izao tontolo izao.
Tsy fantatra ny fotoana hitondran’i Erick Manana ny Trio Swing Berlin aty Madagasikara, inoana fa tsy maintsy hisy izany. Efa fantatra kosa fa hisy fitetezam-pirenena hataony miaraka amin’ny Ralah’Trio, ary tsy hadino ny eto Madagasikara amin’ny volana jona .
Zo ny Aina