Samy tomponandraikitra

Raha ny fivoaran’ny toetr’andro ratsy, efa manambana antsika mianakavy ny loza maro isan-karazany, ateraky ny ora-mikija. Mbola tsy rivodoza akory aza omaly, efa dibo-drano ny tao Toamasina an-tampon-tanàna. Toraka izany ny any amin’ny faritra Sava, izay efa nakatona ny sekoly sasantsasany ho fisorohana ny voina mety hanjo ny ankizy. Samy efa mailomailo ny mpiray tanàna amin’ny mety hafitsoky ny rivotra sy ny orambe. Izay tsara fiomanana tokoa tsy tampohin-doza.
Eto an-drenivohitra, manomboka ny petsapetsa sy ny loto mitsinkafonkafona etsy sy eroa, indrindra ny any anaty tanàna rehetra any. Efa mahazo vahana ny rano miangona, izay mety hiteraka valanaretina. Maro sy tsy takona afenina ny tokantrano miara-miaina amin’ny loto izay haloan’ny fantsona famoahan-drano. Tsentsin’ny fako aparitatsika mianakavy ny lakandrano, hany ka mikomy. Mamerina ny tsy levon’ny vavoniny, na izay tsy tafavoakany any Andriantany, ho any an-tokantranontsika tsirairay avy. Efa misy ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eto Antananarivo Renivohitra, fa tsy ho ampy izany raha tsy misy ny fiarahan’ny rehetra mientana.
Mifanindran-dalana amin’ny loza noho ny rivodoza. Efa manambana, mba tsy hilazana fa efa loza mihatra, amin’ny faritra maro eto Madagasikara ny mosary. Betsaka ny distrika, mila vonjy rano vaky sy hamehana. Maro ny mandry fotsy sy ny misakafo ambany foitra. Toe-java-misy mam­patahotra sy ilàna famonjena maika na any ambanivolo, na aty an-tanàn-dehibe ireo. Mitaraina ny solombavamba­hoaka amin’ny hanoanana mianjady amin’ny vahoaka saingy toa tsy misy mihaino ? Na izany aza anefa, tompon’antoka voalohany amin’ny fahorian’ny vahoaka ao amin’ny faritra misy azy izy ireny. Firifiry ny depiote, tsy misy atao afa-tsy ny fiarovana ny tombontsoan’izy mianakavy.  Zara aza ratsy ny lalana, tsy mahay ny mponina, ahafahana mitsentsitra sy manindry ny mpifidy.
Manoloana ireo tranga isan-karazany ireo, samy manana adidy mitondra vahaolana ny olom-pirenena tsirairay.  Tsy misy ny afaka ny hihalangalana, na hialokaloka ho lasibatra. Samy tomponandraikitra avokoa, eny fa na ny vahoaka izay nomem-pahalalahana voalohany, hisafidy izay mpitondrany aza.

r.r

Partager sur: