Mandia ny faha-52 taona nijoroany ankehitriny ny antoko mpihira Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy, izay manana mpikambana 35 eo ho eo. Manome lanja manokana ny seha-panabeazana maha olona feno (vatana sy saina ary fanahy). Nomarihin’i Mamisoa, filohan’ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy fa sehatra iray malalaka ahafahana manabe sy mifanabe ary fizarana ny mahasoa ny antoko mpihira tahaka itony.
Eo amin’ny lafiny iray indray, mirona kokoa amin’ny fiangaliana ny gadon-kira milamina ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy ary miara-miasa amin’ireo mpamoron-kira efa sangany. Tombony ho an’ireo mpikambana ny fanomezana fiofanana feno momba ny fahalalana fototra takin’ny fikirakirana ny tontolon’ny mozika. Ampahany amin’izany ny fianarana ny solfa sy ny solfezy miampy ny teknikan’ny fomba fihirana, ahafahana mamoaka araka ny tokony ho izy ireo hira kaloin’ity antoko mpihira ity.
Anisan’ny sehatrasa ataon’ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy ny fanatanterahana ny tafika masina ahitana fampianarana sy fitoriana ny Filazantsara ary ny fanolorana fiofanana ilain’ ny isam-batan’olona amin’ny fiainana andavanandro tahaka ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana, sns. «Izao olona noforoniko ho ahy izao no hanambara ny fiderana ahy” (Isaia 41-23), teny fanevan’ity antoko mpihira ity.
Nanangona: HaRy Razafindrakoto