Vokatry ny orambe nisesy tany amin’ny faritra Melaky, izay niteraka riaka matevina, tapaka tanteraka, ny zoma teo, ny lalana “radier” mampitohy an’i Morafenobe sy i Maintirano. Eo amin’ny 1 km tsy hidirana ny tanànan’i Morafenobe ny fahatapahana ka lasa mitoka-monina ny tanàna.
Tsy misy ny fivezivezen’ny fiara mpitatitra entana. Niakatra tampoka ny vidin’ entana any an-toerana. Tafakatra avo roa heny ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro.
Misongadina amin’ireo ny vidin’ny menaka, siramamy, kafe, savony, lafarinina… ankoatra ireo ny karazam-panafody sy ny filàna hafa, indrindra ho an’ny zaza. Tsy misy ny famatsiana tao anatin’izay efatra andron’ny fahatapahan-dalana izay.
Manararaotra ny fahavoazana tampoka ny mpivarotra ka mampiakatra mihoa-pampana ny vidin-javatra. Velon-taraina, araka izany, ny mponina any an-toerana manoloana ny fahalafosan’ny fiainana tsy nisy niomanana.
Fotoana fiakaran’ny vokatra kosa izao any an-toerana ka tsy voakasika ny fiakarana ny vidim-bary sy ny legioma sasantsasany.
Mikatso ao an-toerana ny mponina ka na ny vonjy aina tsy maintsy hatao ivelan’ny tanàna aza tsy ahitam-bahaolana noho ny fahatapahan-dalana. Tsy maintsy mionona amin’ny fitsaboana misy ao an-toerana ny rehetra mandra-pisokatry ny lalana.
Tatiana A