VKMM : manamafy kolontsaina ny kabary

Taranja iray ahafahana mampandroso sy mampiroborobo ny kolontsaina malagasy ny kabary. «Betsaka ny tia sy mankafy io taranja io fa vitsy ny mandalina azy», hoy ny mpikabary eo anivon’ny VKMM (Vovonana sy Kia­din’ny Maha-Malagasy), Rako­toarisoa Tsilavina. Ma­ha­faty ny kolontsaina malagasy tanteraka ny habetsahan’ny kolontsaina vahiny sy ny teknolojia mitobaka eto Mada­ga­­sikara ankehitriny, ka lasa ambanin-javatra ny antsi­ka, raha ny nambarany. Mie­zaka ny fikambanana VKMM mba hampiakatra ny tahan’ny olona handalina io sehatra io ary aseho amin’ny alalan’ny hetsika ara-kolontsaina izany. Ilana fanampiana sy tosika anefa ny hetsika, hoy izy mba hahafahana manandratra avo dia avo ny kolontsaina malagasy. «Fotoana izao ahafahana mijoro hitia ny kolontsaina ananantsika indrindra ho an’ny olona maniry te hianatra kabary, menatra, tsy sahy mijoro, tsy sahy miteny eo imasom-bahoaka», hoy izy nanamafy. «Velona sy mendrika ny firenena miaina amin’ny kolontsainy», hoy izy namarana ny teniny. Ho an’ ny fikambanana, niisa 10 ireo mpikambana nahazo mari-pankasitrahana teny Anala­mahitsy ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa hita amin’ny lanonana rehetra ny kabary na ankaratsiana na ankafaliana. “Ny teny manaitra, ny atao mahatarika” ny teny filamatry ny fikambanana. Efa misokatra ny fisoratana anarana sy ny taom-pianarana ho an’ireo liana handalina ny fianarana kabary.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: