Fahasahiana tsotra izao ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ity jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo herisetra tratra teny Antanimena omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena no nahafahana nisambotra azy ity, raha ny fanazavan’ny polisy. Efa narahan’ny polisy avy aoriana ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny izy rehefa tonga teo Antanimena. Ny fanadihadiana savaranondo no nahafantarana fa isan’ireo jiolahy malaza ratsy amin’iny faritra Antanimena sy ny manodidina iny izy. Mampiasa fitaovam-piadiana toy ny antsibe izy rehefa manao ny asa ratsiny. Nahavariana ny rehetra, nandritra ny fisamboran’ny polisy azy, ny fahasahiany nanohatra ireo mpitandro filaminana. “Hitanareo tsara ny hahazo anareo raha afaka eo aho (ilay jiolahy io)”, hoy izy tamin’ireo polisy nisambotra azy. Efa nentin-katezerana ny olona teny an-toerana ka nikasa ny hidaroka azy, saingy voaaron’ny polisy ihany ity olon-dratsy ity. Nentin’ny polisy hanaovana fanadihadiana izy. Fantatra fa mbola misy namany mpiara-manao asa ratsy aminy karohina.
J.C