Asa tanana : tsy ampy 2 % ny afaka manondrana

Tsy ampy ny akora fototra ilaina amin’ny asa tanana vita malagasy amin’izao fotoana izao. Ankehitriny, zara raha misy 2 % amin’ireo mpanao asa tanana no afaka manondrana ny vitany. Taloha, i Frantsa no tompon’ny tsena malagasy, ankehitriny, i Chine no mandray karazany maro, hatramin’ny akora fototra. Raha amin’ny akora fototra, ohatra, mpanao asa tanana iray mila rofia 20 kg, Chine kosa manafatra 100 t avy hatrany. Mila matanjaka ny tahiry ahazoana ireny akora ireny.
Tsy mahita izay hoentina miasa na miova asa mihitsy kosa ny maro amin’ny mpanao asa tanana. Betsaka, ohatra, ny tetikasa fambolena rofia saingy tsy hita izany. Noho ny fahavitsian’ny akora fototra, tsy mitsahatra miakatra na eto an-toerana aza ny vidin’ny asa tanana azo avy aminy.
Araka ny antontanisa farany tamin’ny 2016, nisy roa tapitrisa ny mpanao asa tanana malagasy teto amin’ny firenena, ka maherin’ny antsasak’izany no miasa amina sehatra tsy manara-dalàna (informel). Amin’izao, vitsy kely sisa no afaka mamaly izay tinady eto an-toerana na any ivelany izay. Na izany aza, ao ireo mpanao asa tanana matihanina manokana ma­nana ny tahiriny afaka miantoka izay tsena azony. Betsaka ny karazana asa tanana vita malagasy, tsy vita any ivelany.

Ndrina

Partager sur: