Barea Chan : “Handresy an’i Soudan ny tanjona manaraka”, hoy i Rôrô

Fanamby manaraka ho an’ny Barean’i Madagasikara amin’ity Chan 2023 ity, ny handresy an’i Soudan. Araka ny tafatafa nataon’i Rôrô, mpanazatra, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly.

“Tsy midika fa hoe haka amboara isika raha nandresy an’i Ghana, saingy mbola hiezaka handavo an’i Soudan no tanjona manaraka. Mba hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny Chan Algerie 2023 no anton’ izany”, hoy Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly.
Nomarihin’ny mpanazatra Rôrô fa mbola marobe ny lesoka tokony harenina. Isan’ izany ny ara-môraly, ny fiarovantena na “bloc équipe”, ny fomba fanafihana farany izay haingana.
Tsiahivina fa mbola manana valo andro ny Barea, hahafahan’izy ireo manarina izany sy miomana amin’ny lalao manaraka izay hiatrehana an’i Soudan, ny 23 janoary ho avy izao. “Manentana antsika rehetra mba hanohana ny Barea, ary mba hijanona ny fanenjehana azy ireo. Sarotra ny adidy miandry azy ireo”, hoy ihany i Rôrô.

Tenin’i Rado, mpilalao Barea
Nilaza ny fihetseham-pony koa i Rado, mpilalao Barea, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. “Tsara ny fandraisan’ireo mpilalao na­mako ahy, na dia efa taraiky ary ny fahatongavako taty Constantine Algérie. Tsy mora ny fanomanana ny lalao toy izao, naharitra iray volana sy tapany izahay no tsy nivoaka fa nanaraka fiofanana tany Carion Madagasikara. Faly tanteraka ny tenako, mba isan’ireo mpilalao hitondra avo ny voninahi-pirenena. Enta­nina ny mpankafy Barea sy ny Malagasy rehetra mba hanohana ny ekipantsika. Alefa Barea !”
Marihina fa mety hiverina hiakatra kianja i Carlos, mpilalaon’ny CFFA Andoharano­fotsy, rehefa tsy nahazo nilalao tamin’ny fihaonan’i Gha­na sy Barea.
Ankoatra izay, mety hisy ny fanovana ny mpilalao 11 hi­joro voalohany, saingy miankina amin’ny lalao an’i Soudan sy i Ghana androany izany, ary eo koa ny tanjaka sy ny fahasalaman’ny mpilalao tsirairay.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: