Barea sy Maroc: «Coup d’envoi» dia rava ny lalao

Lalao tokana ihany no voalahatra anio, eo amin’ny sokajy “C”, amin’ny fifanin­tsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Fihao­nana tanterahina any Algérie. Tsy misy ny fihaonana eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Lionan’i Atlas avy any Maroc, noho ny tsy fandraisan’ireto farany anjara.
Efa nambaran’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) fa “forfait” ry zareo ary mahazo isa 3 ny ekipa mifanandrina aminy. Na izany aza, tsy maintsy tanterahina an-tsa­kany sy an-davany araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana ny fombafomba rehetra. Tsy maintsy miakatra eny ambony kianja ao Constantine, araka izany, ny Barea de Mada­gascar sy ireo mpitsara voatendry hanatontosa izany. Atao ny fanamarinana ireo mpilalao avy miandry ny
mpifanandrina mandritra ny 15 mn. Aorian’izay, atao ny “coup d’envoi” na ilay daka baolina fanombohana dia rava ny lalao.
Ankoatra izay, raikitra kosa ny fihaonana eo amin’i Soudan sy i Ghana, izay ao anatin’ity vondrona “C” misy ny Barea ity, ka amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara ny hanaovana izany, ao Cons­tantine, ihany. Ho fantatra eo izay manana herijika ho tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana. Hatreto, samy mbola manana herijika hiakarana amin’izany avokoa ny rehetra. Raha resy kosa na manao ady sahala izy roa tonta dia mihintsana ry Ganeanina. Raha mivoaka mandresy kosa i Ghana, mbola hiankina amin’ny lalao farany hikatrohan’ny Barea sy i Soudan ny hahalalana izay roa manohy ny fifaninanana.

Tompondaka

Partager sur: