“Beko & Blues” : hisehatra any Toamasina ny Mikea

Tsy matetika! Fanara­raotra ny seho hataon’i Théo Rakotovao sy ny tarika Mikea aty an-tanindrazana. Iaraha-mahalala fa mahalana no afaka miaka-tsehatra eto izy ireo, noho ny fivoahana matetika any ivelany. Fantatra kosa fa hahazo tombony indray ny mpankafy any Toamasina, taorian’ny teto Antananarivo tamin’ny novambra lasa teo.
Hisehatra ao amin’ny efitrano fanaovana fampisehoan’ny CRJS ao Toamasina ry Théo Rakotovao sy ny tariny, ny zoma 3 febroary ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany. Hizara ny “Beko & Blues” mampalaza ny tarika Mikea manerana izao tontolo izao, sy hizara ihany koa ireo gadona hafa araka ny fanaovan’i Théo Rakotovao azy. Tsy havahana firy intsony ireo rehefa eto an-tanindrazana no misehatra ny tarika, satria samy be mpankafy izany. Anisan’ireny ny “Mba nanigno”, “Impiry impiry, “Teako iha”, “Zaho natsanganao”, miapy ireo taloha tanatin’ny rakikira “Taholy”, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: