Natao sonia, ny talata 17 janoary teo, ny fifanarahana famatsiam-bola roa sosona iarahana amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Mifantoka amin’ny hifehezana ny rano sy ny loharano izany, hanatsarana ny fotodrafitrasa samihafa mifandraika aminy.
Famatsiam-bola fanampiny ny voalohany, ao anatin’ny Fandaharanasa famatsiam-bola ho an’ny ambana amin’ny loza voajanahary aty Afrika (ADRiFi). Mitentina 4,7 tapitrisa dolara, nomen’ny mpamatsy vola maromaro, fa tantanin’ny Bad. Vola tsy averina ny 5,875 tapitrisa dolara avy amin’ny Facilité africaine pour la transition (FAT), ary indramina ny 7,111 tapitrisa dolara avy amin’ny FAT ihany koa. Mahatratra 1,547 tapitrisa dolara ny anjaran’ny fanjakana malagasy.
Fifanarahana faharoa ny fanomanana ny Tetikasa fanentanana, fiarovana, fanomezan-danja ny loharano sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (PMP-VREAU).
Mitentina 3,49 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola faharoa, hanamafisana ny fiatrehana ny fiantraikan’ny fiovan’ny tontolo iainana amin’ny firafitry ny tontolo mananaina.
Nilaza ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana, ny fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, fa zava-dehibe ireo fifanarahana natao ireo. Anisan’ny lalana sy laharam-pahamehana ahafahana mitondra fampandrosoana an’i Madagasikara ny fifehezana ny rano. Maro ny fotodrafitrasa mikasika ny fitarihan-drano eto amintsika, mba hitahirizana sy hampiasana azy ireny, ka isan’izany ny tohodrano. Miisa enina ny faritra hisitraka ity famatsiam-bola ity (Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe ary Androy).
Nomarihiny koa fa azo hitahirizan-drano ny aty amin’ ny faritra avo, ka azo ampikorianina any atsimon’ny Nosy, toy ny any Androy, ohatra.
Hatsaraina ny tohodranon’Andekaleka
Hojerena ao anatin’ity fandaharanasa ity koa ny hanatsarana ny tohodranon’ Andekaleka.
Voakasiky ny fifanarahana faharoa kosa ny handrafetana tetikasa marolafy. Toy ny rano fisotro madio, ny fambolena, ny angovo, ny biby fiompy, sns.
Nanao sonia ireo fifanarahana ireo ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny solontenan’ny Bad eto amintsika, Adam Amoumoun.
Njaka A.