Fampiarahana ny sôva sy ny soukouss: hiverina eny an-tsehatra amin’izay i Magic Jah

Magic Jah, mpanakanto fantatra tany amin’ny taona 2006 amin’ny fiangaliana ny gadona mihetsika mampiavaka an’i Afrika tahaka ny ma­pôka, soukouss ary ny famolahana ireo vakodrazana malagasy hanjary kanto mitoetra. Nano­kana fotoana lava izy nentina nandalinana bebe kokoa ny tontolon’ny hira sy ny mozika. “Anisan’ny nohatevenina ny fomba famoronana hira izay mifaka amin’ny fampitana endri-panabeazana sy fizarana hafatra mafonja ho an’ny rehetra”, hoy izy. Teo koa ny fanatsarana ny lafiny fandrindrana ireo sanganasany.
Hampiavaka ny fiverenana an-tsehatr’i Magic Jah ny fampahafantarana ny voka-pikarohana azo avy amin’ny fampiarahana ny sôva sy ny soukouss. Nosalorany ny anarana “sôva chaud” ity gadona vaovao ity. Ny rindrantsarin’ilay hira “Séraphine” tsy zo­viana amin’ny maro no nanamarika indray ny fiverenan’i Magic Jah eo an-tokotani­ben’ny hira sy ny mozika. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny “Tsisy miala eo Rastà”, raha ny fanazavany hatrany.
Nomarihiny fa mitaiza ny hatanorany sy ny tanjaka izay mbola ananany ny filalaovana ny mozika. Maneho ny tokony handalana ny fihavanana sy ny fitiavana kosa ny tononkirany.
Antso avo no nataony ho an’ireo mpikarakara hetsika kolontsaina mba hahay hisafidy ireo mpanakanto manan-talenta sy nandalina hiarahana miasa mba ho fanabeazamboho ny mozika malagasy sy hitondra any amin’ny fivelarana lehibe kokoa hatrany.
Teny fanevan’i Magic Jah ny hoe : “Magic Jah est fort, très fort”.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: