Fandraharahana no be mpisafidy amin’ny asa atao amin’izao fotoana. Saingy mila fantarina mialoha ny sehatra hidirana. Raha tamin’ny taon-dasa, ireto no sehatra hita hisafidianan’ny maro mampidi-bola haingana.
Satria mivoatra hatrany ny teknolojia, betsaka ny mirona any amin’ny «e-commerce» hanolorana karazam-barotra maro. Ireo kojakoja fampiasa andavanandro, fitafiana, kiraro, hatramin’ny fiarakodia misy manao tolotra amin’ny «e-commerce». Matiantoka voalohany amin’io karazam-barotra io ny fanjakana, noho ny tsy fisian’ny hetra miditra avy amin’ireo karazam-barotra samihafa.
Be mpanao koa ny asa fitaterana hatrany amin’ny sehatry ny fizahantany. Toerana maro ahitana izany, saingy tsy voafetra ny manao fitaterana ivelan’ny ara-dalàna, Misy ny miantoka fitaterana amina toerana ratsy lalana sy tsy misy jiro, izay midika fa tsy misy mpanaraka.
Fizahantany miavaka
Manana ny mampiavaka azy ny fizahantany eto amin’ny Nosy : misy misafidy amin’ny toerana saro-dalana fa eo ny maha natiora ny manodidina azy ; manana ny mampiavaka izany koa. Tsara hampahafantarina ireo tolotra voajanahary ao aminy. Koa eo ny fitaleavam-paritra rehetra, tsara mampahanfantra izay tena mampiavaka ny faritra misy azy avy.
Hita manomboka mahazo vahana koa izao ny fitrandrahana angovo azo havaozina, ohatra, avy amin’ny masoandro. Tsy antenaina firy intsony ny Jirama ka ao ireo izay afaka mitrandraka izany na mbola tsy miparitaka aza.
Ndrina